LEHILAHY MAHERY

Tana Gospel Choir - TGC

LEHILAHY MAHERY


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Nosoran’Andriamanitra
Tamin’ny Fanahy Masina
Nandende nanao soa
Tetsy sy teroa


Nanasitrana ny marary
Mampifaly an’izay mijaly
Manadio ny boka
Tsy mitsara ny mpanota
Fa mizara fitiavana é


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Mankanesa aty amiko hoy Izy
Nareo ‘zay miasa fatratra
Sy mavesatra entana
‘Zaho no hanome anareo fitsaharana


Dia toy izany ry Zakaiosy iny é
Teo koa Nikodemôsy
Hatramin’ny Lazarosy tany am-pasana é
Mbola natsangany, natsangany ho velona ô !


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Ao aminy
Ao aminy
Ao aminy
Ao aminy


Ao aminy e
Ao aminy
Ao aminy
Ao aminy


Ao aminy
Misy ny tsara é
Ao aminy
Mikarakara
Ao aminy
Fifaliana
Ao aminy
Fiadanana é
Ao aminy
Fitiavana é
Ao aminy
Ananany be dia be
Ao aminy
Tsara é


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Lehilahy mahery
Zoky be fitia
Zanak’Andriamanitra
I Kristy


Lehilahy mahery é é é


Ho anao izay miasa fatratra é
Olo-mavesatr’entana
‘Ty misy fitsaharana é
Jesosy no anarany é


Lehilahy mahery é é é


Lehilahy tsara é
Tsy mivazivazy
Omeny soa izay manatona Azy
‘Reo devoly minanak’Azy é


Lehilahy mahery


E ! Raiso lehilahy mahery


·