LEHIBE NY FAHATOKIANA AN'ANDRIAMANITRA

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

LEHIBE NY FAHATOKIANA AN’ANDRIAMANITRA


Andriamanitra ô, Ray be fiantra
He, lehibe tokoa ny antranao
Tsy misy vonjy re raha lavitra Anao
Ny famindram-ponao mandrakizay


Tsy manam-paharoa ny famindram-ponao
Tsy manampetra ny fitiavanao
Hianao Jehovah ô no antenaiko
Anjarako Ianao mandrakizay


Ny fahavaratra sy lohataona
Ny masoandro sy ny volana
Izao rehetra izao dia manambara
Ny famindram-ponao mandrakizay


Famelan-keloka sy fitahiana
No mampifaly ny fanahiko
Fanantenana sy hery vaovao re
Atafinao ny fo Jehovah ô!


·