Lehibe Jehovah

Tana Gospel Choir - TGC

Lehibe Jehovah

Lehibe Jehovah mendrika ho deraina e
Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina e

(Valiny) Lehibe Jehovah mendrika ho deraina e

Jehovah izany mahery izany
‘Lay namorona ny tany
Izy no mamorona ny biby,
Ny olom-belona, ny hazo sy ny rano

(Valiny) Lehibe Jehovah mendrika ho deraina
Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina

Izy ilay mpizara fifaliana
Mampifaly ny zanany
Tsy manary koa Izy amin’ny fahoriana
Ho an‘ izay mino ny Anarany

(Valiny) Lehibe Jehovah mendrika ho deraina
Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina

Izy eo foana maraina, antoandro, hariva
Vao antsoina Izy dia mamaly
Jehovah Tompo Andriamanitra irery ihany
No mahavita izany

(Valiny) Lehibe Jehovah mendrika ho deraina
Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina

Tsara Izy eh mpanao ny tsara (Ehh)
Tsy manavakavaka (Ehh)
Sambatra be ‘zay manaraka Azy
Fa Izy Mpizara fitiavana

(Valiny) Lehibe Jehovah mendrika ho deraina
Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina

Ny anararany irery ihany e
(Valiny) Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina
Iô ô ô
(Valiny) Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina
Mendrika hoderaina!
(Valiny) Ny Anarany irery ihany no mendrika hankalazaina
Hankalazaina eee

Oia e, Oia e,
Oia e, Oia e, marina zany
Tsara ny Ray

Raha mahatsiaro irery ianao
Miady amin’ny fiainana
Izy ihany itarainana e
Dia hahatsiaro maivamaivana e
Marina izany e
Tsara ny Ray a

Oia e, marina zany
Tsara ny Ray

Raha tojo fifaliana ianao
Izy ihany no hisaorana
Mandritry ny androm-piainana
Izy ihany hatahorana e! Marina‘zany
Tsara ny Ray

Oia e, Oia e,
Oia e, marina zany
Tsara ny Ray

Raha tojo fahoriana ianao
Nilaozan’ny havana
Izy ihany no itarainana
Dia hahatsiaro maivamaivana
Marina ‘zany
Tsara ny Ray

Oia e, marina zany
Tsara ny Ray

Andriamanitra irery ihany,
Tsara ny Ray ah
Tompon’ny fahatsarana e
Tsara ny Ray
Tompon’ny fahagagana izany
Tsara ny Ray
Tsy mba hanary anao Jehovah,
Tsara ny Ray
Tiany raha mba ianao no miova
Tsara ny Ray
Nomeny famonjena isika,
Tsara ny Ray
Tiany mba ho any am-Paradisa,
Tsara ny Ray

·