Lehibe Ianao

Harilanto feat Mialy Rakotomamonjy

Lehibe Ianao


Hiraiko izao ny faha-lehibeazanao
Ry Ray mpamorona izao rehetra izao
Lehibe ny Anaranao, masina sy marina
Mendrika ho deraina Ianao.


Fihiram-baovao no indro asandratray ho Anao
Fa mahagaga loatra ny fitiavanao
‘Zao voahary rehetra izao
Miara mankalaza Anao
Mpanjakan’ny mpanjaka Ianao.


Ref:
Tena tsara Ianao Ray ô!
Tsisy ny tahaka Anao
Miankohoka aminao izahay.
Tsy misy soa anananay
Azonay hoarina aminao.


Hiraiko izao ny faha-lehibeazanao
Ry Ray mpamorona izao rehetra izao
‘Zao voahary rehetra izao
Miara mankalaza Anao
Mpanjakan’ny mpanjaka Ianao.


Ref:
Tena tsara Ianao Ray ô!
Tsisy ny tahaka Anao
Miankohoka aminao izahay.
Tsy misy soa anananay
Azonay hoarina aminao.
(X2)


….
Tsara Ianao Ray ô!, tsisy toa Anao!
….


Ref:…


Lehibe Ianao Ray ô!
Raiso ny saotranay
(X2)


·