Lazao izy

Pathy Andréas

Lazao izy


Mba lazao izy fa notiaviko
Ireo tsiky sy hamamiana niova ho ratram-po
Navelany eto anie aho nigogogogo
Lazao izy fa hatreto aloha tsy nisy nahasolo
Aiza ho aiza no tokony alehako
Mivembena eto aho fa izy tsy ho hitako intsony


Fa izy anie lasa any lavitra any
Izaho tavela milomano anaty sento sy tomany
Fa izy anie efa sambatra any ho any
Anilan’olon-kafa hono mifamihina aok’izany.
Ouh ouh ouh


Teto aho nibanjina ny lanitra
Izaho sy ny fahanginana no mpinamana
Rotsirotsin’ny haizina, toa tsy mahita tory
Mandinika ny lasa sy ny ho avy, mbola hodiaviko


Fa izy anie lasa any lavitra any
Izaho tavela milomano anaty sento sy tomany
Fa izy anie efa sambatra any ho any
Anilan’olon-kafa hono mifamihina aok’izany.


Ouh, ouh ouh


·