Lazao

None

Lazao


Lazao
Na ho ratsy na ho tsara
Izay mba tianao hambara
Tsy mampininona ahy
Fa ory ny fanahy


Oh..! Lazao
Liana mafy te handre aho
Ka mba miangavy mitalaho
Ambarao, lazao, lazao


Azoko an-tsaina mantsy ny ao am-ponao
Ny masonao mijery ahy
Dia toa milaza hoe tiako ianao
Ny saiko no mihiahy


Oh..! Lazao
Teny indraim-bava monja
Indraim-bava fa mafonja
Ka aoka re mba lazao
Ahy eo am-bavanao


Oh..! Lazao
Sarobidy loatra mantsy
Ka ny miandry no tsy tanty
Ambarao, lazao, lazao


Azoko an-tsaina mantsy ny ao am-ponao
Ny masonao mijery ahy
Dia toa milaza hoe tiako ianao
Ny saiko no mihiahy


Oh..! Lazao
Teny indraim-bava monja
Indraim-bava fa mafonja
Ka aoka re mba lazao
Ahy eo am-bavanao


Oh! Oh! Lazao
Sarobidy loatra mantsy
Ka ny miandry no tsy tanty
Ambarao, lazao, lazao


Lazao (x2)


·