'Lay zanaky ny Ray

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

‘Lay zanaky ny Ray


Andao hitsaoka ny mpamonjy
Fa tonga Izy mba ho famonjena anao
Amboary androany ny fonao mba ho Mendrika ny anarany


Izy ’lay zanaky ny Ray
Hamonjy izao tontolo izao
‘Reo izay mino sy mahatoky Azy
No ho sambatra mandrakizay


Tsy mba toera-manan-daza
No toera-nandraisana ny Tomponao
Kanefa nanetry tena tao
Noho ny amiko sy ny aminao


Ampandrosoy ao am-ponao
Jeso, ’lay zanaky ny Ray
F’Izy no hitondra fifaliana
Sy fiadanana mandrakizay


·