lay tebiteby

None

lay tebiteby


Ilay tebiteby sy ahiahinao
Mba esory rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy
Ilay fiainana ratsy vitanao
Hosoloiny, hosoloiny fiainambaovao
Ireo ota sy helokao taloha
Nofafany, nofafany sy efa nolanjainy
Matokia azy hatramizao
F’Izy ihany ny Tomponao
Manatona Azy ianao mba ho sasany
Matokia azy hatramizao
F’Izy ihany ny Tomponao
Manatona Azy ianao mba ho sasany


Koa raha sendra ny rivotra mahery
ilay sombon’ny fiainanao
Matokia fa tsy ho irery
Fa ny Tompo mbola hijery
Matokia Azy hatrany hatrany ianao
Matokia fa tsy ho irery
Fa ny Tompo mbola hijery
Matokia Azy hatrany hatrany ianao


Mibebaha ary ianao izao
Atolory ny tenanao
K’aza dia mba misalasala akory
Mibebaha ary ianao izao
Atolory ny tenanao
K’aza dia mba misalasala akory


A/C Ghaby


·