'LAY RÀNAO SAROBIDY

Feon'ny fiderana

‘LAY RÀNAO SAROBIDY


VEHIVAVY(SOLO)
Mandainga kosa aho raha hilaza aminao hoe mbola tsy nanota
Kanefa indrisy hatrizay hatrizao be ireo efa vita
LEHILAHY(SOLO)
Mandainga kosa aho raha hilaza aminao hoe mbola tsy nanota
Kanefa indrisy hatrizay hatrizao be ireo efa vita


Ref:Fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho
Voalazan’ny teny izany ka tsaroako hatrany
Ka tsaroako hatrany ×2


VEHIVAVY(SOLO)
Ny heloka izay hibaboina dia mody rariny eny ihany
‘Lay rano natsakaina tsy maintsy hody ventiny indray andro any
LEHILAHY(SOLO)
Ny heloka izay hibaboina dia mody rariny eny ihany
‘Lay rano natsakaina tsy maintsy hody ventiny indray andro any


Ref: Fa ny otako kosa dia tsy madio ny rano sy savony
‘Lay Rànao sarobidy nandiovanao ahy
No nanafaka ahy ×2


·