'LAY MESIA

AMPIZIFA

‘LAY MESIA


Toy izao ny fitiavan’ny Ray
Ho antsika izay zanany
‘Lay Mesia nirahiny
Mba hamonjy antsika tety


Tranon’omby no mba nihaviany
Teo am-pihinanam-bilona
Tsapanao ve ry havako รด!
‘Lay Mesia nietry ho ahy sy ho anao


‘Lay Mesia nidina ho antsika
Tonga teto ho ahy sy ho anao
Ka hobio sy hifalio
Ny Famonjena izay vitany


‘Ndeha hihira toy ireo anjely
Hankalaza, hitsaoka Azy re
Voninahitra ho an’ny Ray
Fiadanana ho an’ny olony


‘Ndeha hihira toy ireo anjely
Hankalaza, hitsaoka Azy re
Voninahitra ho an’ny Ray
Fiadanana ho an’ny olony


Voninahitra ho an’ny Ray
Fiadanana ho an’ny olony
Fiadanana ho an’ny olony
Fiadanana ho an’ny olony


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·