Lay fitiavanao

Hery

Lay fitiavanao


1- Ho foana ny tomany, hisinda ny sorisory
Raha ianao no eo anilako eo
Hizarako ny alahelo sy toreo
Ilay fitsikinao, sy ilay fijerinao
Manohina fanahy, mambabo ahy
Hanazava ilay androko maloka teo


Refrain: Ilay teny mamy nomenao ahy
Hanala alahelo ka tsy ho sarotra ho ahy ny hitraka indray
Ho sasa-poana ihany ireo, hanenjika ahy
Ka ho very fanahy mbola velona


2-Ny hasambarako, dia ny ho eo anilanao
Hifampizara aminao ny tsara indrindra
Dia ho lafatra tokoa ny fiainantsika


Refrain: Ilay teny mamy nomenao ahy
Hanala alahelo ka tsy ho sarotra ho ahy ny hitraka indray
Ho sasa-poana ihany ireo, hanenjika ahy
Ka ho very fanahy mbola velona


HERY (Titre : “‘Lay fitiavanao” - Album : “Hirahira sy mozika” / Studio DO SOL - 2002)


·