Lasa Izy
ERFAH
Lasa Izy
(1er_Couplet)
Vahotra ny vava tsy naloam-peo
Hoe oviana indray ny fotoana
Hoe oviana indray vao mba hihaona
Hatramizay anefa tsy ho adino
Ny salova-tavany
Fa mandatsa ahy , Mamela ratra ho ahy
Ireo zava-bita natao fahiny…
(Refrain)
Lasa izy , Lasa any ho any
Lasa izy , Tsy mba nanambara
Lasa izy , Namela ankivina
Lasa izy , Nandao ny olon-tiany
(2em_Couplet)
Tsy tony vao omaly ve ???
Le tsikitsiky sy fitiavana
Nifandefa teny mamy vao mifoha
Malaina ny hisara-droa
Ankehitriny ilay mba hitany matetika
Namela ankiviana…
Ka mijaly aho , Marary eh…
Naleoko mitomany mangina…
(Refrain)
Lasa izy , Lasa any ho any
Lasa izy , Tsy mba nanambara
Lasa izy , Namela ankivina
Lasa izy , Nandao ny olon-tiany
(3em-Couplet)
Raha iny ianao no lasa any
Namela ahy irery…
Very…Very eh…Tsy mba misy mankahery
Mba sitrano aho…Mba sitrano eh
Mba sitrano aho…×2
(Refrain)
Lasa izy , Lasa any ho any
Lasa izy , Tsy mba nanambara
Lasa izy , Namela ankivina
Lasa izy , Nandao ny olon-tiany