Lasa ianao vao tsapako

Abel Ratsimba

Lasa ianao vao tsapako


Lasa ianao vao tsapako
Ny alaheloko tsy zakako
Lasa ianao vao hitako
Fa nanenenako izay vitako


Rariny raha voalatsa ianao
Fa tsara ho anao ny toy izao
Lasa ianao vao hay hoe fahoriana
Izany voafitaky ny tiana


Tsy misy intsony ny azo atao
Fa efa tsy eto intsony ianao
Aza omena tsiny aho raha miteny
Fa nanenenako ireny


·