Lapa vaovao

Mamina

Lapa vaovao


Raha manontany izy dia lazao fa efa niova aho
Efa namafa ireo lasa izay nanimba fitia taloha
Toa miambakavaka any aho vahotra aho ny hitafa aminy any
Fa te hamoa ilay fitia irony hampamoakatra indray ny voany


Ka miangavy aho raha toa sitrakao
Dia hiaraka hanangana lapa vaovao
Hifonako avokoa ireo natao ny lasako rehetra fafao


Raha hitanao any izy dia lazao fa mbola miandry aho
Tsy hay ny anadino fa mbola mino mbola hiova izy indray andro any
Toa sarotra ho ahy anefa ny anadino ireo nataonao
Fa mbola tia ka tsy hafa-mania fa voagejan’ilay fitia


Ka miangavy aho ra toa sitrakao dia hiaraka anangana lapa vaovao
Satria efa vonona aho ny andray anao
Tongava re fa mbola miandry aho


Satria nania ka tsy menatra ny andadilady
Fa ny fitia mandra maty fa tsy vazivazy


Ka miangavy aho ra toa sitrakao dia hiaraka anangana lapa vaovao
Satria efa vonona aho ny andray anao
Tongava re fa mbola miandry aho x2


Ny lasako rehetra fafao
Fitiavana no hiantsoko anao


·