Lany zara

Rambao

Lany zara


Dia ranomaso ve no niafarany
Hadisoako ve no nahatonga izany
Aoka hangina fa resy tsy miady
Vao tsy ela akory dia indro sahady


Hay va re misy fetra
Fa zovy no afaka hitsetra
Tofoka teo ilay olon-tiako
Toa tafintohina ny diako


 Kamboty diso anjara
Moa ve mbola ho lany zara

Fa iza intsony moa no mbola handrasana
I dada sy neny ve izay efa any am-pasana
Naleoko ihany mitoetra mangina
Izao ve no atao hoe fitia vita dina

Hay va re kilalao
Ny toky niarahana nanao
Izay tokoa ve ny taminay
Izay ve no mandrakizay


  Mangidy anie ny aferon'ny tany
Tonga ity re ny naleoko ihany

Fa iza intsony moa no mbola handrasana
I dada sy neny ve izay efa any am-pasana
Naleoko ihany nitoetra mangina
Izao ve no atao hoe fitia vita dina

Hay va re kilalao
Ny toky niarahana nanao
Izay tokoa ve ny taminay
Izay ve no mandrakizay


Mangidy anie ny aferon’ny tany
Tonga ity re ny naleoko ihany


·