Lalovy aho

Fanja Andriamanantena

Lalovy aho


LALOVY AHO


Lalovy aho, dia raiso
Hiara-dalana aminao
Ho eny an-kodimirana
Ho andro tena mirana
No iraisantsika lalana


Lalovy aho, dia ento
Hiara-tsambatra aminao
Ho eny an-dalan’ny fitia
Ilay mandrakizay doria
Fikasana hatrizay


Lalovy aho raha afaka ihany ianao
Raha tsy manelingelina ny fiainanao
Ny antso ataoko eto izao
Lalovy aho raha afaka ihany ianao


Efa nandalovan-tsika ny tsiky
Sy ranomaso miavosa
Efa fantan-tsika ny ngidin’
Ny hoe tsy ampiampy fitia
Mahafanimpanina ery


Tonony sy feony: Fanja ANDRIAMANANTENA
Mpihira: Tafita Hery Fitiavana


·