Lalan-tsarotra
TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka
Lalan-tsarotra
Ny lalana nodiavinao ry Jesoa o!
Dia lalan-tsarotra sy mafy tokoa
Lalana tsy tian’ny olona aleha
Niaretanao ho famonjena anao
Ref:
Nijaly mafy ny Tompo tsy meloka
Nalatsa-dra, nokapohina
Nororaina, nohesoina
Nampangaina toy ny meloka
Ilay zanak’Andriamanitra
Fa tianao ho diavinay ny lalanao
Mba hanavotana ny fanahinay
Handovanay ny fiainana mandrakizay
Ho Sambatra ao Aminao ry Jesoa
Ref:
Nijaly mafy ny Tompo tsy meloka
Nalatsa-dra,nokapohina
Nororaina,nohesoina,
nampangaina toy ny meloka
Ilay zanak’Andriamanitra