LALAN-KAFA

Zo Ryan

LALAN-KAFA


LALAN-KAFA


Mitanisanisa ny lasa eto aho sy ireo ora niarahana
mitamberina ato antsaina indray reny fotöana rehetra ireny
Tsaroako izao fa nisy tokoa ilay fitiavana tanatin’ny fo
Ireo tambitamby sy teny mamy porofom-pitiavan’zany


Toa tsy mampino ihany hoe rava tokoa
ilay fitiavantsika taloha, lasa tantara tsy afaka andoha
fahatsiarovana sisa mitoetra ao ampo
nametsoventso hatrany na ianao na izaho
ny hiaraka fa tsy hilalao, ka ianao hoahy izaho koa ho anao
fikasana hatramzay ny hoe tsy hifandao


Refrain:
Lalankafa no efa voatondro mba hoahy
ny lalantsika koa tsy voasoratra ho iray
ka na nisy aza ireny fiarahana tsara
dia rava hoazy teo satria tsy anjara
lalankafa indray zao no nizoranao
samy lalankafa tokoa ny ahy sy ny anao
satria efa voalahatra avy any ambony
tsy azontsika sy ianao ovàna intsony


Tsy hoadinoiko anefa ianao
satria tokoa tena tia ahy
zao hira izao raha noforoniko
dia ho anao irery avy amin’ny foko
nikasa sy naniry isika ny hiara-dia mba ho tafita
Tsy anjarantsika anefa ny hiaraka dia izao tafasaraka


Toa tsy mampino ihany hoe rava tokoa
ilay fitiavantsika taloha, lasa tantara tsy afaka andoha
fahatsiarovana sisa mitoetra ao ampo
nametsoventso hatrany na ianao na izaho
ny hiaraka fa tsy hilalao, ka ianao hoahy izaho koa ho anao
fikasana hatramzay ny hoe tsy hifandao


Refrain:
Lalankafa no efa voatondro mba hoahy
ny lalantsika koa tsy voasoratra ho iray
ka na nisy aza ireny fiarahana tsara
dia rava hoazy teo satria tsy anjara
lalankafa indray zao no nizoranao
samy lalankafa tokoa ny ahy sy ny anao
satria efa voalahatra avy any ambony
tsy azontsika sy ianao ovàna intsony


Ireo andro niarahana mamy tsy hoadino
ny saiko aza mandinika an’izany tsy mety mino
hoe tsy hoanjarako mihintsy ianao
izaho koa tsy hoanjaranao, hay lay fitia tsy ho doria


Refrain:
Lalankafa no efa voatondro mba hoahy……


nanoratra ny tonony sy feony : Zo Ryan


·