Lalam-pahafahana

BEAUZAKA (Tarika Mala)

Lalam-pahafahana


LALAM-PAHAFAHANA


Couplet 1
Hidona e iny orana iny
Hirotsaka tsy hoela izy
Hanondraka ny tany
Izay mangetaheta
Hidona tahaka izany
Ny fahatsiarovana
Hamerina ny lasa izy
Hohita sary an-tsaina
Ka mampiahiahy satria


Refrain
Sarotra ny tanjona
Ho tratrarina
Ratsy ny lalana mankany
Fiakarana mideza izy io
Fidinana tsy hisy
Kanefa dia tsy maintsy
Handehanana
Raha mbola tiana koa
Ny ho tafita
Fa iny lalana iny
Dia Lalam-pahafahana


Couplet 2
Hidona e iny kotroka iny
Hanakoako mafy izy e
Hatrany ambadika any
Fa kotrobaratra iny
Hidona tahaka izany
Ny ao am-po
Raha toa ka taintaina
No hiandrasana ny ho avy
Dia mampiahiahy satria


Refrain


Couplet 3
Ho avy e iny, orana,iny
Hitondrana famokarana
Ho an’ny tanintsika
Izay tsy ampy ampy rano
Hoavy tahaka izany
Ny ampitso
Hitondra hasambarana
Ho antsika mianakavy
Izay mangetaheta


Na sarotra ny tanjona
Hotratrarina
Na ratsy ny lalana
Mankany
Ho tongantsika foana izy io
Satria tsy ho kivy fo
Ny lalana tsy maintsy
Handehanana
Raha mbola tiana koa
Ny ho tafita
Satria iny lalana iny
Dia lalam-pahafahana


·