Lakile
Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Lakile
‘Zaho efa paré (2×)
Hanao diabe eoà
Ho an-danitra e
Ka vonona ve ise (2×)
Jesoa ihany no lakilé
Hahatongavana e
- Maro ny raha manahirana
Hazakazaka tsy azo hiodivirana ee
Raha mbola eto an-tany
Tsy maintsy voakasik’izany e
Jesoa ihany no any antoka
Lalana, Fahamarinana
Pont: Jesoa ihany
Izy hatrany
No ilaiko eto an-tany
Raha mbola velona koa aho
- Maro ny milaza hoe ‘zao sy izao
Nefa tsy hialana ny ratsy fanao
Aza sodoka an’izany
Fa ny Soratra Masina ihany e
Sarobidy, fanala hidy
Antoka
Lalana handovana fiainana
‘Zaho efa paré (2×)
Hanao diabe eoà
Ho an-danitra e
Ka vonona ve ise (2×)
Jesoa ihany no lakilé
Hahatongavana e