Lakana mpanarato

Bodo

Lakana mpanarato


Olona mpanarato
Mailaka ambony rano e ! (in-droa)


Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Olona mpanarato eny izy
Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny izy eh ya!


Zanaka mpanarato
Mitsimpona akorandriaka e (in-droa)


Jereo, jereo lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny izy
Jereo, jereo lakan-drafitra e
Lakana mpanarato eny izy e ya


Vadin’ny mpanarato
Tsy afaka tebiteby e (in-droa)


Manahy, manahy lakan-drafitra e
Sao dia voatelin’onja eny iny
Manahy, manahy lakan-drafitra e
Lakana mpanarato eny izy e ya


Eh ya eh eh


Tsy matahotra onja anie iny mpanarato tazako iny
Fa ny tebiteby tsy mahasaraka fa olona tiana
Vohizo malaky ô
Manafo ny lakanao fa manina anao


Olona mpanarato
Mailaka ambony rano e ! (in-droa)


Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Olona mpanarato eny izy
Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny izy e ya


E ya eh


Vadin’ny mpanarato
Tsy afaka tebiteby e
Renin’ny mpanarato
Tsy afaka tebiteby e


Manahy, manahy lakan-drafitra
Sao dia voatelin’onja eny iny
Manahy, manahy lakan-drafitra e
Lakana mpanarato eny izy
Manahy, manahy lakan-drafitra e
Sao dia voatelin’onja eny izy
Manahy, manahy lakan-drafitra
Lakana mpanarato eny izy eh ya


Eh ya e
Eh ya
Eh ya e
Eh ya


·