Lakana

SLK Ambohidroa

Lakana


FIV:
Lakana very fivohy anivon-dranomasina
Lavim-pitodiana nefa tsy afaka mandeha
Avilivilin’onja ka madiva ny ho rendrika
Raiki-tahotra manahy ny hoavy




  1. Tolory Tanana aho Jesoa fa saraka Anao
    Fa ny fiainanay ety dia mila hanafotra ahy
    Ny rivotra mahery dia mitsoka mampatahotra
    Koa meteza ianao anio hanavotra ahy ety ô ô ô




  2. Tantano aho e! fa anaraka Anao
    Arovy aho e! f’aza alavirinao
    Ny tananao no fivohy ny lakan-keliko
    Hitodiako eny an-tseranana
    Ny sandrinao no handreseko ny onja maro ety
    Ka hanaisotra ny tahotro




·