Kristy no fiainana
Antoko Mpihira MORIA
Kristy no fiainana
Ny zava-drehetra mandalo fa tsy mitoetra
Ny fiainana an-tany ho lany ho vetivety ihany
Fa fiainana mandrakizay ho an’izay mino ny Ray
Fiainan-tsambatra sy mamy tsy misy fiafarany
Tsy hoe any ankoatra, Vao fiaina-madio
Afaka mivoatra, dieny mbola anio
Tsy hoe any an-danitra any, Vao fiainan-tsoa
Dieny ety an-tany, andao hiova fo
Koa manatona, avia mivonòna
Fa isika izao, hiredona hoe:
:,: Jeso Kristy no fiainako
Manova ny fo sy fisainako
Hiankinako amin’ny andro sisa iainako KRISTY :,: