KRISTY NO FAHAMARINANA

Rantsana Fanantenana - FJKM ZIONA FAHAZAVANA ANOSIBE

KRISTY NO FAHAMARINANA



  1. Tohizo ny antso samy handre ny mpiara-belona
    Faingana ry miaramilan’i Kristy
    Sao difotry ny rano sy ala kitroka
    ‘Reo ondry very mbola ao am-balany


Ref: Ry mpino namako ô
Mitsangàna ka sahia
Torio ’lay kintana mazava dia Kristy
‘Zay mamerina ny maro ho @fahamarinana
Dia hamiratra mandrakizay doria



  1. Ireo toaka sy karazan-java-mahadomelina
    ‘Zay fototry ny ratsy ety an-tany ety
    No ala kitrokin’ny saina, fo, fanahy
    Ka mora andairan’ny aretina SIDA


Ref:Ry mpino namako ô…………….



  1. Ny Rantsana Fanantenana androany miantso anao
    Handao ny ratsy ka hiova olom-baovao
    Fa raha manaiky ianao ny handray an’i Kristy
    Hamiratra aminao ny voninahiny


Ref:Ry mpino namako ô……………


·