Kristy Jesosy no antony ahavelomako

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

Kristy Jesosy no antony ahavelomako


Velona mandrakizay
Ny Tompo Jesosiko
Na dia maty sy nijaly
Noho ny otako
Feno fisandratana
Manome fiadanana
Feno famindram-po sy fitiavana


Refrain:
Kristy no fiainako
Antony ahavelomako
Manda fiarovako sy heriko
Jesosy tsy mba mandao
Fa miaraka amiko
Ny hanao ny asany no mamiko


Izay rehetra mino Azy
Manana fiainana
Famelàna heloka no hiainana
Ka ny rà-Ny latsaka
Mba ho fanadiovana
Izany indrindra re no fahasoavana


Refrain :
Kristy no fiainako……


Ny Fanahy Masina
Midina mameno fo
No mirari-dalana
Mampahery koa
Miaro sy mitazona
Ho tamana eo Aminy
Ary koa mitaiza ny fiangonany


Refrain:
(Kristy no fiainako…)×2


·