KRISMASY VE?
Feon'ny fiderana
KRISMASY VE?
1.Andro inona moa anio
No mifaly sy mirana avokoa
Ny zava-manan’aina izay namboarin’ny Tsitoha
Midera mankalaza ihany koa
*Krismasy ve? Andro soa tokoa
Izay nahaterahan’i Jesoa
Ankalazaina hatrany hatrany
Manerana ny tany
2.Tsy ho fifaliana ihany anefa
Na hihinanana sakafo tsara
Sy hanaovana ireo fitafiana vaovao
Misy tanjona ho tratrarina
*Krismasy ve? Andro iray lehibe
Andro fandinihan-tena tokoa
Krismasy ve? Andro famelana
Mba ho afaka tokoa anie
*Krismasy ve? Andro fiovana
Hanatsarana indray ilay andro soa
Krismasy ve? Fanoloran-tena
Vatolampiko Ianao Jesoa