Krismasy

KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena

Krismasy


Krismasy, Krismasy
Andro nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy
Krismasy, Krismasy
Alim-be , alim-be miavaka


Nilazan’ireo Anjely
Fa Mpamonjy no teraka, ny Mesia, zanak’Andriamanitra
‘LayMpanjaka , manan-daza
No tonga ho mpanavotra anao


Haleleluia , Hosana


Hobio, derao, ankalazao
Fa teraka ny Tomponao
Anolotra fiainam-baovao
Amonjy ny fanahinao


Koa asandrato hatrany hatrany
Ny fiderana ilay Mesia
Nanaiky ho tonga ety an-tany
Amonjy ny ondry izay nania


Noely


·