Kolosiana 3
azofi fjkm ambohipo
Kolosiana 3
1/iaino ny didy vaovao
Ka vonoy ny momba ny tena
Ary esory izao rehetra izao
Fa omeny anao ny tena harena
2/Itafio ny toetra vaoao
Meteza hanaiky izay lazainy
Fa ho lasa lavitra ianao
Izay anie no andrandrainy
3/Raha te ho olom-baovao
Aza miatsaravelatsihy
Ny marina sy ny mety atao
Dia ho faly ianao ka handihy
Ref: Fa mbola ambonin’ny fitiavana
Ilay fehin’ny fahatanterahana
Sy antoky ny fahombiazana
Nandrava ny efi-pisarahana
Sy antoky ny fahombiazana
Rava ny efi-pisarahana