KOLOINA

Vlm Ampitatafika

KOLOINA


1-Takona indray ilay hazavana kely teo
Nandrandraina hiposaka , dify dia izay
Izay nantenaina koa , namitaka nandratra fo
Ray o, mba ho aiza moa


Lalana sarotra ho diavina
Fandresena rahatrizay ho fiadanana
hampiorina finoana ka haharitra
Ilay hazo fijaliana


Ref: Ny fo hatoko hanantena hatrany, hatrany
Ny Tompo anie ka tsy hamela anao izany
Hatolory Azy fa ny tanany
Mitsotra miandry anao malalany


2-Sedra atolotrao navalin’ota izay natao
Mampilofika ao am-po mafy tokoa
Afo mamaivay mandrotika ny ati-fanahy
Ray o, fanefena anay


Lalana sarotra ho diavina
Fandresena rahatrizay ho fiadanana
Hijoro mahatoky ka hamiratra
Toa volamena ianao


Ref: Ny fo hatoko hanantena hatrany, hatrany
Ny Tompo anie ka tsy hamela anao izany
Hatolory Azy fa ny tanany
Mitsotra miandry anao malalany


·