KODIARAN-TSARETY

Mamy Robinson

KODIARAN-TSARETY


KODIARAN-TSARETY


Kodiaran-tsarety ny fiainana an-tany
Indray andro any ny ambany mety ho ambony
Ny ambony mety ho ambany
Manaova ny soa mba tsy hanenenanao


Tadidio f’hivaly aminao,
Hivaly sy hiverina aminao zay nataonao
Izay nafafinao ihany no hojinjainao
Samy mizaka ny valin’ny natao
Manaova ny soa, manaova ny tsara
Mba tsy ho very anjara ! Hoy aho hoe :


Kodiaran-tsarety ny fiainana an-tany
Indray andro any ny ambany mety ho ambony
Ny ambony mety ho ambany
Manaova ny soa mba tsy hanenenanao


_ Mamy ROBINSON_ (18 mai 2023)


·