Kintana mamiratra

NV

Kintana mamiratra


Mpiara-monina tsy hangina rahoviana
Mahita ho lazaina
Avo vava rehefa hanakiana
Marisa raha mba ilaina


Hivaky loha hanaraka an’izay malaza
Aza mila doka e!
Kajio ny fiainanao mba tsy ho kinanga
Tano ny sitrakao


Refrain :
Avelao hiteny izay hiteny
N’inoninona io
Aoka tsy hampahory anao
Meteza ho Tokana aman-tany
Kintana mamiratra
Tompon’ny safidinao


Mpiara-monina tsy hangina rahoviana
Mpiara-monina mahita ho lazaina foana
Raha mijoro ela dia misy manakiana
Mihetsika eo dia efa izay ihany


Hivaky liha hanaraka an’izay malaza
Hitady doka hamiratra amin’izao tontolo va
Kajio ny fiainanao mba tsy ho kinanga
Tano ny sitrakao


Refrain :
Avelao hiteny izay hiteny
N’inoninona io
Aoka tsy hampahory anao
Meteza ho Tokana aman-tany
Kintana mamiratra
Tompon’ny safidinao


Atrakao re ny loha
Hatreo ampitsikiana
Izay mason’ny mpanilika fa
Ho avy any indray androany any
Zareo hisitrisitrika
Hanaraka ny dianao


·