Kere

The Dizzy Brains

Kere


Isan’andro ianao
Na dia te andeha
Misaina, miady mafy
Nefa tsy misy aleha


Isan’andro ianao
Mihafy , noana be
Midongy , mitomany
Nefa ho aiza re ?


Efa mitalaho
Ry gasy toa anao
Mangetaheta fiainana sambatra
Moa ve fantatrao ?
Ny ao ankibony ao ?
Raketa, ranon-dolana, fingotra


Nakaiza ireo fihan’ireo lalao ?
Ireo sangisangy sy tsiky fanao ?
Toa lasa kiakiaka sento sy tomany ?
Mitaraina , karakaina, maina ny tany


Marary mafy nefa ho aiza e
Tsy afa-miala mankaiza e
Miangavy anao ny atsimo e
Mandravarava ny kere


Kozy no be dia be
Eny amin’ny arabe
Propagandinareo lainga sy mampihomehy


O ry kiala Fanja
Fa nareo ve jamba ?
Toa tsy mba mirarà
Toa revenao manja


Nakaiza ireo fihan’ireo lalao ?
Ireo sangisangy sy tsiky fanao
Toa lasa kiakiaka sento sy tomany ?
Mitaraina , karakaina, maina ny tany


Marary mafy nefa ho aiza e
Tsy afa-miala mankaiza e
Fa mila vonjy ny atsimo e
Mandravarava ny kere


Voretra ny aty
Mahia , noana izahay
Ianareo ary toa mameno paosy indray ?


·