KELY SISA

Feon'Kalvary

KELY SISA


Kely sisa


Ry mpanompo izay nania
Mandeha mankaiza izato dia
Toa variana sy sondriana amin’ny asa izay atao
Aoka izay ny sitrapo, atodiho ny masonao
Fa ny Tompo efa sasa-miandry tongava malaky ianao


Efa tonga ny fotoana areheto ny solikao
Segondra sisa no eo anoloana
Dia hifarana izao rehetra izao
Koa herezo re ny dia fa miandry Tomponao
Hafaingano , o avia , moa efa vonona ve ianao


Efa kely sisa re dia ho avy Tomponao
Ka handray ireo izay nanao sy nankato ny tsara tety
F’ireo izay manamafy fo, mbola hanenina tokoa
F’ilay andro hiaviny indray tsy hisy ny famindram-po


Efa tonga ny fotoana areheto ny solikao
Segondra sisa no eo anoloana
Dia hifarana izao rehetra izao
Koa herezo re ny dia fa miandry Tomponao
Hafaingano , o avia , moa efa vonona ve ianao


(A.C Andrianavalona Hobisoa)


·