Katsaho aloha

Ny Mpitory

Katsaho aloha


Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra
Sy ny fahamarinany
Hanampy ho anao (*2)
Ny zava-drehetra


Sarotra ny fiainana ve?
No toa dia mitanondrika izato ianao
Tebiteby ahihay isan’andro
No mahazo amin’ izao fiainana izao


Aza fahasambarana ety an-tany
Misy resinao eny izany
Korontan-dava etsy sy eroa
Mila hankarary fo


Nefa aza dia mbola mitaraina
Fa Ity misy azonao hantenaina
Ilay Jesoa zoky tia Tsy mamela anao
ho kamboty ety


Fa Katsaho aloha ny fanjakany any an-danitra
Sy ny fahamarinany
Hanampy ho anao (*2)
Ny zava-drehetra


Na zany fa mihabetsaka koa
Ireo mivari-lavo sy manao hadalana
Mitombo isa ,miha-maro isan’andro
Ireo mpangalatra sy tsy tàn-dalàna


Miha-manjaka koa ny fitiavan-tena
Fisolokiana hafetsifetsena
Ny lolom-po tsy mety mitony
Tsy hita ho lazaina intsony


Nefa aza dia mbola mitaraina
Fa Ity misy azonao hantenaina
Ilay Jesoa zoky tia tsy mamela
anao ho kamboty ety


Fa Katsaho aloha ny fanjakany any an-danitra
Sy ny fahamarinany
Hanampy ho anao (*2)
Ny zava-drehetra


Fa Katsaho aloha ny fanjakany any an-danitra (Fanjakan’Andriamanitra)
Sy ny fahamarinany
Hanampy ho anao (*2)
Ny zava-drehetra


·