Katsaho aloha
Anteman'i Libanona
Katsaho aloha
Moa ve mba fantatrao
Sy mba nosaininao ?
Fa ny eto an-tany
Tsisy fiadanan-tsaina.
F’izay irin’ny fo,
Sy heverina ho soa
Dia zava-poana ihany,
Na mamiratra aok’izany.
Fa ny azo hitokiana,
Hanome fifaliana
Tsy hita lany,
Tsy iza fa Kristy !
Katsaho aloha
Ny hitoerany ao anatinao
Fa aza lany andro
Am’izao hita izao
Mba jereo ny voron’any an’ala,
F’izy ireny, fa izy ireny
Tsy mamafy na mijinja,
Kanefa tsy manan’ahiahy,
Fa ny Tompo
No momba sy mitahy.