Katsaho

Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)

Katsaho



  1. Ny fanjakan’ny lanitra tsy mora
    Lalan-tsarotra tsy vita mora
    Lalan-tery feno tsilo mazana aok’izany
    No izorana any an-danitra any


Aza dia variana (amin’ny) fiainana eto an-tany
Fa mba saino ihany, ny lovasoa an-danitra any
Fanetre-tena koa sy vavaka ihany
Fiainana hizorana mankany


Ref:
Katsaho aloha ny fanjakan’ny lanitra a
Katsaho ny fahamarinan’Andriamanitra a
(Homena anao) Homena anao, ny ho fanampiny
(Dia ho azonao) Dia ho azonao, reo soa afafiny



  1. Ny fitiavam-bola aman-karena
    Halaviro ny fitiavan-tena
    Ny fatahoranao an’Andriamanitra
    No toetra tsara enti-mandova ny lanitra


Ref:
Katsaho aloha ny fanjakan’ny lanitra a
Katsaho ny fahamarinan’Andriamanitra a
(Homena anao) Homena anao, ny ho fanampiny
(Dia ho azonao) Dia ho azonao, reo soa afafiny


·