KANTO LOATRA

AMPIZIFA

KANTO LOATRA


Tsy voasanda vola sy harena, tsy voavidy ’lay fitia
‘Zay nomenao tsy noterena ’lay Tokanao dia Kristy
Na atambatra aza ny haren’ny tany sy lanitra tsy ampy
Hanehoana ilay fitia natolotrao


Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin’ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao


Ny hany tiako sy mba iriako, Mpamonjy ô! hohiraiko
‘Zaho mba ho isan’ireo hitoetra anilanao rahatrizay
Ka rehefa ho avy indray Ianao, ho avy hitsara anay
Tsy ho tavela ho very mandrakizay


Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin’ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao


Fa kanto loatra ry Tomponay ô! ny midera ny Anaranao
Ho setrin’ny Famonjena izay natolotrao mba ho anay
Tsy tratry ny saina ny herinao sy ny fahefana anananao
Ka fihirana no entinay midera Anao


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·