KANEFA RAY TSITOHA

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

KANEFA RAY TSITOHA



  1. Tompo ô nahoana moa?
    No mbola misy ireo mifandratra fo?
    Tsy mitsahatra manenjika ahy
    Manozona ahy mba ho rendrika


REF :
Ianao nilaza fa mila mangina aho
Fa Ianao no hiady ho ahy
Kanefa Ray Tsitoha, mafy re ny manjo
Ka tsy tsindriko ny fo


2)Tompo ô nahoana kay?
Raha toa ka hatsahatra amin’izay
‘zao tafiotra mahery izao
Fa mila ho fefika ny sambonay


REF:
Ny alon-drano sy ireo bibidia
Samy te handrombaka ahy
Kanefa Ray Tsitoha mba hamindrao fo
Ka vonjeo ity zanakao


Ianao nilaza fa mila mangina aho
Fa Ianao no hiady ho ahy
Kanefa Ray Tsitoha, mafy re ny manjo
Ka tsy tsindriko ny fo


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·