KALON'NY SAHY
Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
KALON’NY SAHY
Na rivo-mamanala, na ranon’erika aza re
tsy misy mahatana izany dianay
Ny tendrombohitra avo dia hotetezinay
Ny lohasaha sy alabe dia hozahanay avokoa
Na fotaka mandrevo, ny karaobato koa re
Tsy misy mankaleo fa vonona izahay
Ny Tily tena sahy tsy manana ahiahy
Fa mizotra an-kasahiana fa efa zatra fihafiana
Ireo sakaiza maro, fadiranovana mijaly
Noho ny fahantrana mianjady aminy
No miandry antsika Tily hanafaka azy iero
Satria ny fanekena re hoan’izao tontolo izao!!