Kajy

Dzao Lahy

Kajy


Aiia , oaeie (×2)



  1. Rehefa ela mba nanangonangona e de mba mila mba mananganangana
    Mitondra mody izay zakan’ny tanana ,anatsaràna izay kely efa hanananao e
    Fa matoa levaly nahatratra ny tanjona,bavy efa ela no nanangonangona
    Tsara kajy sy nahay nitantana,de mba nahavita trano ranamana e
    Réf:kajio ny ampitsonao,fandrao hanenenanao
    Ireo zava-bitanao omaly sy androany e
    Fa mila mitsitsy ianao,de Mila mioipy ianao
    Fa jereo Fa Ho hitanao…


2)Fa fety ny ankizy te hitsangatsangana , dada variana natory mitsangana
Tsy nahavita mba nanangonangona tsy mitsinjo papozy rapapany Yao e
Nefa misy any koa ireo nanangonangona e nefa tsy hita fa nanjavonjavona
Foana ritra tsy nisy niangana,vetivety de tsy hita any an-tanany yaoe
Ref:Fa tsy mba nitsitsy ireo e dia tsy mba nikipy ireo
De tsy nitsinjovin-dreo ny omaly sy ny androany e
De tsy mba nitsitsy ireo e dia tsy mba nikipy ireo e
De tsy nitsinjovin-dreo


Dia kajio ny ampitsonao,fandrao hanenenanao
Ireo zava-bitanao omaly sy androany e
Fa mila mitsitsy ianao,de mila mikipy ianao
Fa jereo Fa ho hitanao…


·