Jesosy tsy mandao
AFV Anosibe
Jesosy tsy mandao
1- Misy ny tomany, misy fifaliana
Raha ny eto an-tany manam-petra ihany izany
Fa ny Tomponao no hiady ho anao
Mahereza re, mahereza re f’Izy tsy handao anao
Ref: Aza manana ahiahy amin’izao fiainana izao
(Aza manana ahiahy ianaao)
Fa Jesosy Tompo ilay mahery no iankinanao e!
( Fa Jesosy Tompo homba anao e!)
Meteza ianao ho eo ambany elatr’ilay Ray Tsitoha ôôô
F’Izy no afaka, hanafaka, ny gadranao
2- Misy adin-tsaina, misy fijaliana
Fahoriana lava , sentosento lalandava
Sambatra ianao, efa voavonjy izao
Aza kivy ianao, aza kivy hoy aho fa Jesosy tsy mandao