Jesosy no miantso
Antoko Mpihira AFAS (Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina)
Jesosy no miantso
Jesosy no miantso olona izay,
mba handeha hanao ny Asany ety.
Izy no hanafy hery anao,
Ka aza mba misalasala izao.
Ny toky izay nomeny fahizay tety,
Dia mbola manankery hatrizao.
Homba anao mandrakariva Izy,
Manolora tena, matokia.
Ref.
Tsy foiny ianao na mpaniasia.
Antsoiny koa mba ho irany.
Mba hanambara ny Fitiavany,
ary ny Famonjena vitany.