Jesosy fanorenana
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Jesosy fanorenana
Tompo o tsaroako ireny hadisoako
F’izaho efa nanadino anao
Tompo o onena ny olomanantena
Anjara fitiavana avy any Aminao
REF:
Fantatro hatrizay, fantatro ilay
Jesosy fanorenana ny fiainako
Ankehitriny kosa tsy hindramiko fa ahy ny Tompo
Hanorenana fiainambaovao
Tompo o tsy very fa miaina sy miteny
Ny hafatra efa napetrakao
Tompo o tsy maty fa velona ato anaty
Ireo teny soa navelanao ho ahy
Tompo o Ianao no toky vaovao
Ho andry sy aron’ny ampitso
Tompo o Ianao no Tompo tsy mandao
Ka homba hitahy izany lalanay