JESOSY AVY ANY NAZARETA
AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
JESOSY AVY ANY NAZARETA
- Raha inoanao tokoa Jesosy avy any nazareta
Fa manan-doharano ho an’izay mangetaheta
Ny aretina rehetra, ny olana tsy misy fetra
HO SITRANINY
Tsarovy kosa anefa fa nomeny ny fepetra
Ny hamoizanao ireo fahazaran-dratsinao rehetra
‘Reo filàn-dratsinao, ny fin’izao tontolo izao
MANEKE, MANEKE
REF :
Ka inona no mbola mampisalasala anao e
Mbola mamy ve ny fiainana amin’izao tontolo izao ô ?
Ataonao hoe kisendrasendra va
Ny fijaliany nilatsa-drà ?
Fa famonjena, fitiavana lehibe ho anao
De inona no mampivoaka indray ireo ao am-bala e ?
Tsy manery ve Jesôsy de aleonao ny miala ô ?
Fa ny amboadia anie tsy hisangy anao
Fatorany any vao hoe ’’ inty aho vahao ’’
Voafetra ihany raha ny famindram-pony ho anao
..... Instru........
Raha inoanao tokoa Jesosy avy any nazareta