Jesosy ô! ekeko ny hitia

Akon'ny Lanitra FLM Fihaonana Fort-Dauphin

Jesosy ô! ekeko ny hitia


Jesosy ô! ekeko ny hitia
Satria Ianao efa nitia
Ny tsy tia efa notiavinao
K’izaho indray ve Tompo no handa


Jesosy ô! manaiky aho ny hivavaka
’ty vavaka efa nanenjehana Anao
Niharitra Ianao novonoina nohomboina
K’izaho indray ve Tompo no handa


Fa henjika sy famonoana, fiokoana
Ary lefona latsa sy rora akora e
Ny mafy maningotra aina, nozakainao
Nolovaina aminao ny taraina
Fa nentinao, ekeko
Eny Ray ô! Hanaraka anao ekeko izao
Fa sitrako,
K’izaho indray ve Tompo no handa


Jesosy ô! Mino aho fa rahatrizay
Amin’ny andro hiverenanao indray
Dia trompetra, fitsarana ataonao
Jesosy ô hanangana ahy Ianao


Fa henjika sy famonoana, fiokoana ..


·