Jesosy ô! ekeko ny hitia

GAFLI

Jesosy ô! ekeko ny hitia



  1. Jesosy ô, ekeko ny hitia
    Satria Ianao efa nitia, Jesosy ô!
    Ny tsy tia efa notiavinao.
    K’izaho indray ve Tompo no handà


Jesosy ô, manaiky aho ny hivavaka
Dia vavaka efa nanenjehana Anao, Jesosy ô!
Niaritra Ianao, novonoina, nohomboina.
K’izaho ve Tompo no handà


Fa enjika sy famonoana, fiokoana.
Ary lefona, latsa sy rora, akora e!
Na mafy, maningotra aina nozakainao.
Nolovaina Aminao ny taraina.
Fa nentinao, ekeko.
Eny Ray ô!
Hanaraka Anao, ekeko izao.
Fa sitrako.
K’izaho indray ve Tompo no handà



  1. Jesosy ô, mino aho fa rahatrizay.
    Amin’ny andro hiverenanao indray, Jesosy ô!
    Feon-trompetra, fitsarana ataonao
    Jesosy ô, hanangana Ianao.


Jesosy ô, manaiky aho ny hivavaka
Dia vavaka efa nanenjehana Anao, Jesosy ô!
Niaritra Ianao, novonoina, nohomboina.
K’izaho ve Tompo no handà


Fa enjika sy famonoana, fiokoana.
Ary lefona, latsa sy rora, akora e!
Na mafy, maningotra aina nozakainao.
Nolovaina Aminao ny taraina.
Fa nentinao, ekeko.
Eny Ray ô!
Hanaraka Anao, ekeko izao.
Fa sitrako.
K’izaho indray ve Tompo no handà


·