JESOA NY FITIAVANAO (Ab)

Feon'ny fiderana

JESOA NY FITIAVANAO (Ab)


Na dia kely aza izahay dia tsapanay tokoa
Ny fitiavanao nasehonao ho an’izao rehetra izao
Sarobidy sy fatratra ireny ka tsy hainay ny tsy hiteny
Na tsy hanaja izany kanefa eto an_tany maloka feno tomany
  Miodikodina eny foana kanefa dia izao
  Mbola hafa ihany ny fitiavanao
  Mikarokara_java_tsoa kanefa indrisy
  Izay antenaina ho rava tsy misy


Ref: Jesoa mamy tokoa ny fitiavanao
         Tsy hay adinoina
Tsy azo vonoina
         Miorina tsy azo soloina
         Ny anilanao hafa loatra
         Kanto sy fý aok’izany
         Manalanala ireo taraina
         Mamafamafa ny adin_tsaina
         Fitiavana mamelon’aina


Na dia kely aza izahay dia fantatray tokoa
Ny fitiavanao natolotrao ho an’izao rehetra izao
Tsy diso anjara avy tamin’izany izahay izay vory eto izao
Fa mbola tantano tsy hanganohano
Izahay eto Morarano
  Marobe tsy tambo hisaina ireo fahavalo
  F’ianao no itokiana ka tsy atakalo
  Mialoalo eny koa ireo izay tsy tia
  Kanefa izany tsy handrava ny dia


·