Jesoa no miahy

AMEVIF(Efraima Vaovao FJKM Ifarihy Famonjena)

Jesoa no miahy


Ny manjo ahy anio no lalana ho ahy
Ny mafy mihatra anio no voatendry ho ahy
Teo ny ora niafiko zay nanjombona foana
’lay ririnina mangitsy fa tsy lohataona


Ny aditsaina mihatra zay tsapa mandratra
Efa tsapa tsy ho zaka ka ny fo no maratra
Ranomaso tsy tana ka nanjary namely
Ka ny fo no misento ny anaty malemy


Ref: ny oram-pijaliako sy oram-pahoriako
Tsaroako hatrany fa Jesoa no miahy
Ka na maloka ny andro zay miserana tsaroako eo foana Jesoa tsy mandao
Izany no lalam-boatendry ho ahy
Matoky aho anefa fa Ianao Jesosy
Ho loharano anovozako hery Vaovao
Matoa aho toy izao dia ny fahasoavanao


AMEVIF(Efraima Vaovao)
Auteur: RATEFIARISON Sandratr’Hasina


·