Jesoa isaorako

Ny Mpitory

Jesoa isaorako


Jesoa isaorako ny fitiavanao ahy
Na mafy ny manjo mandresy ny fanahy
Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao
Mionona ny fo eo am-pelantananao


Jesoa misaotra indrindra
Misaotra eram-po
Ny fiainako mirindra
Ka ampoky ny soa
Fa ampy hifaliako ny fahasoavanao
Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao


Jesoa isaorako ireo teninao
Fa dia nandramako mandresy aho izao
Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao
Matoky izany fo ampaherezinao


Jesoa misaotra indrindra
Misaotra eram-po
Ny fiainako mirindra ka ampoky ny soa
Fa ampy hifalialo ny fahasoavanao
Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao


Jesoa misaotra indrindra e
Misaotra eram-po
Ny fiainanay mirindra ka ampoky ny soa
Izao no faniriana ireo taranakay
Jesoa ho fifaliany ny fahasoavanao.


·