Jesoa Fitiavana

NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)

Jesoa Fitiavana


1- Am-pototry ny hazo fijalianao
eo no iankohofako Jesoa
(Jesoa malala o!)
mba sasao sy diovy amin’ny ranao
ity mpanota izay efa nandao.


Ray malala o!iza no anafaka ahy
amin’ireo ota mamatotra ahy
soa fa teo Ianao Jesoa Fitiavana
miandry ahy hamonjy ny fanahiko


2- Raha tojo tafiotra ny fiainako ety
akaikinao Tompo o!fiadanako
(Jesoa malala o!)
indro Ianao manolotra ny tananao
hitantana ahy ho eo anilanao


Ray malala o!Iza moa no itarainako ?
hitondrako ireo adim-panahiko
soa fa teo Ianao Jesoa Fitiavana
nampitraka ahy sy nampahery hatrany


·